Actualités

Asa any Koweit Tratra ireo mpivady mpanondran’olona


  • Sabotsy 18 Jolay 2020

Lehilahy sy vehivavy iray mpivady no tratran’ny polisy avy ao amin’ny Service des Enquêtes Spécialisés ny 15 jolay

 lasa teo noho ny resaka fanondranana ankizy hiasa an-tsokosoko any Koweït. Tamin’ny 08 jona teo raha tsiahivina dia nisy fampodiana an-tanindrazana ireo vehivavy mpiasa tany Koweït izay natoby teny amin’ny domaine St Francois Ambatomirahavavy sy Villa vert Ambatomirahavavy. Rehefa natao ny fanadihadiana azy ireo dia fantatra fa nisy olona nikarakara ny fandehanan’izy ireo tany Koweït. Araka ny lalàna anefa dia mbola voarara ny fandehanana miasa any amin’ny firenena Arabo toa an’i Koweït, Liban, Arabie Saoudite… izy ireo izay firenena tsy nanao sonia ny fifanarahana amin’ny fiarovana ny zon’olombelona na ny « Charte Universel de droit de l’Homme » sy ny « Droit de l’Homme ». Rehefa natao ny angom-baovao dia fantatra ireo olona nandefa azy ireo tany amin’ireo firenena ireo ary niroso tamin’ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana ka lehilahy sy vehivavy mpivady no voasambotra tamin’io daty voalaza etsy ambony io. Natao ny fanadihadiana ireto mpivady tratra ireto ka mbola hita tao amin’ny findain’izy ireo daholo ny fifampiresahana amin’ny fifanarahana amin’ireo olona mpandray ankizy hiasa any amin’ireo firenena Arabo ireo ary mbola misy fifanarahana natao farany tamin’ny volana Jona teo. Hakan’ireto mpivady ireto 1.600.000 Ar avy ireo ankizy izay kasainy alefany hiasa any ivelany ary lazainy fa hikarakarana ny antotan-taratasy izany vola izany. Mandray 500 hatramin’ny 600 Dolara kosa ny ankizy iray tonga any amin’ireo firenena ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana. Natolotra ny fitsarana omaly izy mivady ireto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT