Actualités

Arrachard Antsiranana Niesona indray ny mpandehan’ny AIR MAD


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Nihitsoka tao amin’ny seranam-piaramanidina Arrachard Mahajanga ny mpandehan’ny zotra MD 0317 an’ny orinasam-pitaterana ana habakabaka malagasy Air Madagascar, tokony hihazo an’Antananarivo omaly alahady tamin’ny 12 ora sy 20 minitra. Efa tonga tao Arrachard ny rehetra vao nilazana fa foana izany sidina izany

. Nanomboka ny sahotaka satria tsy nisy fanazavana voaray tamin’ireo tompon’andraikitra. Maro ireo vahiny no efa niala ny hotely nisy azy, maro ihany koa ireo hiampita amin’ny zotra mampitohy an’Antananarivo – Parisy. Ireo tompon’andraikitra sasany aza moa dia nilaza tsiliantsofina fa efa fantatra ny sabotsy alina tamin’ny mailaka fa foana ilay zotra, fa nolazaina fotsiny aloha hoe misy fahasimbana kely fa handeha amin’ny efatra ora hariva (alahady). Rehefa nikotaba ny mpandeha vao nilaza ny tompon’andraikitra fa hiantohan’ny Air Madagascar ny saran’ny hotely sy sakafon’ireo mpandeha. Voalaza moa amin’izao fotoana anoratanay izao fa dia hanainga anio alatsinainy amin’ny 11 ora sy sasany avy any Antsiranana indray ny fiaramanidina, ka ho hita eo izany na hampiesona indray ny Air Madagascar na tsia.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT