Actualités

Arphine Helisoa Nolavina indray ny fangatahana LP


  • Alakamisy 16 Aprily 2020

Mbola nolavina indray ny fangatahana fahafahana vonjimaika [LP] ho an’ny mpanao gazety Arphine Helisoa, raha ny fanazavan’ny mpisolovava azy tetsy Ankadifotsy, Willy Razafinjatovo na Olala, omaly.

 

 

 

 

Naverin’ity mpisolovava ity hatrany moa ny fanazavana mikasika ity raharaha ity izay raha fehezina dia hoe tsy tokony ho fahafahana vonjimaika fotsiny aza no omena ity voapanga ity fa tena famotsorana tanteraka mihitsy amin’ny alalan’ny fanaovana ny raharaha ho “affaire classée sans suite”. Efa voalaza fa olona mipetraka any Frantsa, antsoina hoe: Jean Philippe, no nanao ilay famoahana vaovao tanatin’ny tranokalam-pifandraisan’ilay gazety izay hiasan’ity namana mpanao gazety ity ary ny 22 martsa no nisy gazety Ny Valosoa nivoaka farany. Nanome toky ny mpisolovava fa tsy hipetra-potsiny ao anatin’izao raharaha izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT