AROS-PM SY NY KAOMININA ALASORA

Manga ny fiaraha-miasa


  • Alarobia 04 Martsa 2026

Manga sy matanjaka ny fiaraha-miasan'ny

kaominîna Alasora Avaradrano sy ny AROS-PM. Namaly ny fanasana nataon’ny AROS-PM ny Ben’ny Tanana Jimmy Randriantsoa omaly Talata 03 Martsa tao La Grande Motte.Ny Filoha, Pierre Padilla, no nandray azy niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny birao, niaraka tamin’Atoa Jean-Michel WEISS avy amin’ny fikambanana FA. Ity fikambanana farany ity dia miara-miasa akaiky amin’ny Polisy kaominaly ao Alasora ary efa nanome fanampiana sy fitaovana hanohanana ny asan’izy ireo. Hisy fanampiana vaovao hatolotra ho an’ny Polisy kaominaly ao Alasora indray araka izany izay ahitana caméra, talkie-walkie, solosaina ary fiara izay hanampy amin’ny fanatanterahana ny adidy ho fiarovana ny vahoaka. Mitohy hatrany araka izany ny fiaraha-miasan'ny roa tonta ho fanamafisana ny filaminana sy ny fampandrosoana ao.amin'ny kaominina Alasora.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonan'ireo tompon'andraikitra roa tonta !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT