Manoloana ny fikasana hampizarazara ny malagasy dia nanao fijoroana vavolombelona momban’ny firenena iray izay saika maty tanteraka fa velona indray ary lasa firenena matanjaka voalohany eran’i afrika ny mpitsara iraisampirenena teo aloha, Arlette Ramaroson.
15 taona no nitsarako ny adim-poko tany Rwanda, hoy izy. Niatomboka amin’ny tsy misy hafa amin’izao tian’ny sasany atao eto izao . Samy nanindraindra ny fokony ary misy firenena mpampirisika tao ambadika hampisara-bazana ny foko roa dia ny Tutsi sy ny Hutu. betsaka ny kiana nataon’ny Hutu tamin’ny Tutsi fa hoe miseho azy ho ambony, mahazo toerana ambony amin’ny sehatra rehetra toy ny governemanta sy orin’asam-panjakana. Manambany sy manitsakitsaka ny Hutu ary miseho azy ho andriana, hono. Nampirisika mihitsy ny Radio des milles collines mba tsy hifankatia ireo foko ireo. Raikitra ny ady sy ny famonoana. Eo amin’ny 1.000.000 eo no isan’ny Tutsi maty novonoin’ny Hutu ary vehivavy 250.000 no naolany ka ireo nahavita heloka no notsarainay, hoy izy. Nifamela heloka anefa ny ankabeazan’izy ireo satria tsapany loatra fa firenena mitady ny tomboany no namotika azy. Mampivarahontsana ny nijery ny taniny, ny trano nodorana, ny tanana potika ary izao tontolo izao dia nilaza fa tsy hitsangana amin’ny maty intsony i Rwanda. Nahagaga anefa fa tafarina izy amin’izao fotoana izao ary tany mandroso indrindra eto Afrika ary efa voarara tsy mahazo mifanavakavaka intsony. Ny sekoly frantsay nakatona nasiana « scellé » mihitsy ary niala tamin’ny francophonie fa niditra commonwealth i Rwanda. tsy mandany fotoana amin’ny resaka politika hafa tsy ny hoe ahoana no fampandrosoana ny toekareny sy hamonjena ny vahoaka ankehitriny, hoy hatrany izy, i Rwanda tamin’ny fotoana nandalovako tany farany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.