Taorian’ny fielezan’ny resaka tamin’ny alalan’ny “facebook” izay notaterin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra, mikasika ny fisian’ny aretina “Ebola” ao Toamasina dia nitondra fanazavana ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana ao an-toerana nahitana ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, ny talen’ny hopitaly be sy ny hopitaly manara-penitra ary teo koa ny lehiben’ny Faritra Atsinanana. Nilaza ny lehiben’ny Faritra Talata Michel fa “tsaho entina hanakorontanana ny saim-bahoaka fotsiny ireny
. Nohararaotina ny fahatongavan’olona maro eto Toamasina hampisy fikorontanana amin’izao fisian’ny fifaninanam-pirenena an-tsekoly sy mpiala sasatra izao”. Nohamafisin’i Dr Rabearisoa Frederic fa “tsy mbola misy eto amintsika izany Ebola izany, efa nohamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ny sisin-tany, indrindra ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo”. Nanambara kosa i Pr Rakotoarijaona Armand fa “raha sanatria ka mety misy soritra aretina tsikaritra, dia efa vonona sy manana efitrano manokana hizahana sy hitsaboana izay voany ny hopitaly be ary efa nomena fahalalana sy fiofanana momba izany ny mpitsabo”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.