Actualités

Aretin’aty Mety mahafaty ao anatin’ny herinandro monja


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Malagasy manodidina ny 23% no mitondra ny tsimokaretina Ag Hbs mivadika ho aretina «hépatite». Mponina an-tanŕn-dehibe 5% no tratran’ny aretin’aty B raha 25% kosa izany eny anivon’ny toerana ambanivohitra

Misoko miadana ity karazana aretin’aty ity ary tsy manome famantarana ivelany. Azo sokajiana ho aretina tena atahorana izy ity satria mety mitarika fahafatesana ao anatin’ny herinandro monja saingy tsy homentsika eto Madagasikara lanja loatra. Misy ny tetikasa HepMada izay novolavolaina hitiliana ny aretina «hépatites B sy C» amin’ireo mpiasam-panjakana Malagasy. Tanjon’ny tetikasa ny handray an-tanana manomboka any amin’ny fitiliana hatrany amin’ny fanaovam-baksiny fisorohana ny aretin’aty mpahazo ny 80%-n’ny mpiasam-bahoaka Malagasy. Mpiasam-panjakana 130.000 no ezahina hotiliana hatramin’ny taona 2015. Nankalazaina omaly alatsinainy 28 jolay moa ny andro manerantany hiadiana amin’ny aretin’aty ka lohahevitra nofinidy nanamarihana izany ny hoe «ny hépatite, mila dinihana indray». Tsara ihany ny mampahafantatra fa laharana faharoa mitarika fahafatesana manerantany ny aretin’aty sokajy B izay mamono olona 5 hetsy isan-taona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT