Actualités

ARETI-MASO Ny Smartphone indray izao no fitaovana vaovao hitiliana azy


  • Alarobia 23 Jolay 2014

Raha ilana fitaovana maro samihafa ny fitiliana ny areti-maso eto amintsika dia efa vita mora foana amin’ny alalan’ny Smartphone izany any ivelany

Tonga teto amintsika omaly no sady nanazava ny traikefa ananany mikasika ny fampiasana io fitaovana io ny profesora Mukai, teratany Sinoa. Tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha no nanatanterahany ny fiaraha-miasa tamin’ny alalan’ny Lions Sight First Madagascar tarihin’ny filohany Rabenjamina Olivier. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa tena manala fahasahiranana maro tokoa ny fisian’ny Smartphone amin’izao fotoana izao. Tombony lehibe, indrindra ho an’ireo olona marary maso, ny fahafahana mampiasa azy any ambanivohitra na amin’ny toerana mitoka-monina. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia ny fampiasana ny teknika sy ny fitaovana vaovao tahaka itony no tena olana raha ny momba ny fitsaboana maso manokana no hasian-teny. Efa mahatratra 40 isa mantsy amin’izao fotoana ny mpandidy maso eto amintsika ary ampy tsara izany. Hisy, araka izany, ny fanofanana mpitsabo hotanterahin’ity profesora ity mba tsy ho tara amin’ny fampiasana ny fitaovana avo lenta toy ny Smartphone isika. Tsara ny manamarika fa manampahaizana manokana momba ny maso na ophtamologue ity profesora teratany Sinoa ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT