Nanomboka ny fiandohan’ny volana jona lasa teo dia efa tazana eny an-tsena ny arendrina.
Karazana kilalao iray fampiasan’ny ankizy izy ity rehefa Fetim-pirenena ka misy ireo vita malagasy raha misy koa vita Sinoa. Hatreto aloha raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra iray etsy Analakely dia ny arendrina vita Malagasy no tena mahasarika ny olona. 200 Ar monja mantsy dia efa mahazo iray amin’izy ireny raha manomboka amin’ny 2.000 Ar kosa ireo karazany vita Sinoa. Ankoatra izay dia mbola mampiavaka ny arendrina vita Malagasy ihany koa ny lokony maro samihafa ravahin’ny endriny mendrika baolina boribory, vorona, vazy, ombikely…izay tena mahavariana ny ankizy tokoa. Na izany aza anefa raha araka ny fanadihadiana natao ihany dia mbola tena maina ny tsena. Tsy dia mirona loatra any amin’ny fividianana arendrina mantsy ny mpanjifa noho ny antony maro samihafa. Manomboka amin’ity herinandro vaovao ity no heverin’ireo mpivarotra fa fotoana mety hampandeha ny tsenany. Toraka izany koa ireo arendrina vita Sinoa izay misy mahatratra hatrany amin’ny 14.000 Ar ny iray ho an’ireo karazany toy ny lefona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.