Arakaraka ny hanamafisana ny lalàna

Hafahafa, vao mainka mirongatra ny fanolanana


  • Talata 30 Janoary 2024

Nisokatra omaly 29 janoary 2024 ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ireo Antenimiera

roa tonta araka ny Didim-panjakana laharana faha 2024-071 ny 25 janoary 2024, noraisin’ny governemanta. Niatrika ny lanonam-panokafana tetsy Tsimbazaza ny Praiminisitra sy ireo mpikamban’ny governemanta, raha toa ka tsy tazana kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena izay tsy eto an-toekarana, ka ny Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo no nitarika ny lanonana. Lahadinika efa voafaritry ny filan-kevitry ny Minisitra ihany no haroso mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Ankoatra ny fampahafantarana ataon’ny Governemanta ny Programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, ny fandinihana sy fandaniana volavolan-drijantenin-dalàna mitondra fanovana ny lalàna laharana 2014-020 mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia eo ihany koa ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-drijantenin-dalàna mitondra fanovana ny “Code Pénal” Malagasy mahakasika ny sazy omena izay manao habibiana amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Raha hiverenana, nilaza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 31 desambra 2023 fa nahatratra 672 ny tranga fanolanana ny taona 2023, ka nilazana fa hohamafisina ny sazy ho an’ny mpanolana, ka anisany ny asa an-terivozona mandra-pahafaty, ny fampidirana ilay antsoina hoe : « castration chimique » na « castration chirurgicale » izay fomba hoenti-mamono ny taovam-pananahan’ireo mpanolana. Ny mahagaga anefa, arakaraka ny hizoran’ny Fanjakana amin’ny fanamafisana izay sazy izay no toa mampirongatra ny tranga fanolanana. Nandritra ity volana janoary ity, ranolava ny trangana fanolanana saika nanerana ny Nosy, raha ny tatitra nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao samihafa. Marina fa ny tranga aorian’ny fahalanian’ny lalàna no hiharany, saingy mahagaga ihany ity tranga mirarakopana mialohan’ny fanintsiana lalàna ity. Nanana fahasahiana nitoroka ve ny olona taorian’ny serasera samihafa nandeha ka tahaka ny hoe : nitombo ny tranga ka betsaka ny tratra? Toa tsy mitombina mantsy raha dinihina amin’ny lojika ny hoe : arakaraka ny fandrangarangana sazy henjana no mampirongatra ity zava-doza ity. Sa sanatrian’ny vava misy serasera be lalaovina mba hanamafisana sy hanamafisana fa tena mila hafainganina ny fandaniana ilay lalàna eo anatrehan’ny firongatr’ity zava-doza ity?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT