ARAI

Nodimandry ny Tale Jeneraly


  • Alarobia 15 Mey 2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

na ny "Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites" Atoa Rasoloharimanana Aimé. Aretim-po no voalaza fa nahazo azy. Roa herinandro lasa no niatrika fandidiana voalohany izy ary afaka nody. Niatrika fandidiana fanindroany izy androany ary izao nodimandry izao. Raha tsiahivina dia ny 11 mey 2022 izy no voatendry ho Tale Jeneralin’io Sampan-draharaha mpanao fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny io, taorian’ny fandalovana sivana ka izy no voatazona farany. Ny 3 jona 2022 no nanao ny fianianana ofisialy teo anivon’ny Fitsarana Tampony. Marihina fa iray amin’ireo sampan-draharaha amin’ireo 5 mandrafitra ny rafitra momba ny ady amin’ny kolikoly ny ARAI ary izy no taty aoriana vao tafatsangana, raha efa hatrany amin’ny 2004 ohatra ny Bianco, ka ity Tale Jeneraly nodimandry ity izany no anisan’ny nisantatra ny fitantanana azy. Mankahery sy mirary fiononana ho an’ny fianankaviany manontolo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT