Nivoaka tamin’ny fahanginany rehefa ela tsy henoheno ny Apostoly Tsaratsara sy ny ekipany.
Tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny fijoroan’ny fikambanana FI.FA.MADA ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto Madagasikara naorin’izy ireo no nanehoany indray ny heviny mikasika ny fiainam-pirenena. Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny asa hotanterahin’ny FI.FA. MADA ato aho ato ny hitondra filaminana ho an’ny vahoaka Malagasy. Tsy hijanona ho an’ny vahoaka Malagasy irery izany fa maneran-tany mihitsy hahafahan’ny rehetra migoka ilay harem-bevava mahaketrika. Fikambanana ara-kolontsaina mikendry ny fihavaozan’ny foto-pisainan’ny zanak’olombelona sy ny toe-piainany hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fikambanana FI.FA MADA. Antom-pijoroany ny hitory ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra avy any ambony, handrava ny asan’ny devoly ho fampandresena ny fiangonan’ny Tsara Tsara, hanafaka ny zanak’olombelona rehetra amin’ny herin’ny ratsy, hanangana ny ela efa rava ary koa hampanjaka fidianana sy fandriampahalemana. Inoana fa mikasa ny haka ny toeran’ny filoham-pirenena ny Apostoly Tsaratsara izay nofaritany manokana fa samy manana ny azy fa ny azy kosa dia an’ilay Rainy izay naniraka azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.