Aoka izay ny fanabadoana

Miroso amin’ny fanovana hitondra vokatsoa isika


  • Talata 18 Novambra 2025

Tsy maintsy miova ny fomba fanaovana

politika sy ny fitantanana raha tiana ny ahita voka-tsoa azo tsapain-tanana ho an’ny olompirenena amin’ny asa atao eto Madagasikara. Voaporofo tamin’ireo fanadihadiana natao tato anatin’ny 1 volana fa maro tokoa ny trangana kolikoly, fanararaotam-pahefana, firaisana tsikombakomba, fanodinkodinana volam-panjakana, fisolokiana, fisandohana fahefana, eny hatramin’ny fikambanan-jiolahy nataona tompon’andraikitra. Azo atao tsara ny manova sy manatsara, ary izany io ezaka ataon’ny fanjakana tarihin’ny kolonely Randrianirina io. Tsy zavatra mora ny miala amin’ny mahazatra, efa hita anefa fa tsy nahalasa lavitra antsika eto madagasikara ilay fanao mahazatra toa ny hoe : olona avy any aminay io, aleo mba hahazo toerana ny avy any amin’ny tanàna ; fantatro tsara io miresaka ainy fotsiny isika dia milamina ny afera ; na iza na iza mitondra eo isika tafiditra foana ; aleo mba hifampizarazarana ara-pihaviana sy isaky ny taranaka ny toerana ; tsy mila misahirana be izany mikarakara dosie fa mametraka kely fotsiny dia milamina ny raharaha. Tsy maintsy miova ny fomba fisainana, miova ny fomba fanao ary miova ny fomba fiasa. Tsy voatery hahazo seza daholo, hoy ny Prezda kolonely ny alahady teo. Any anaty saina ny fanovana ka rehefa io no mandeha amin’ny lalana tokony ho izy dia tsy maintsy ahitam-bokatsoa ny asa atao. Ampy izay ny fanabadoana sy fanambakana, aleo handeha mazava sy mangarahara tsara y zava-drehetra, rehefa hoe mety dia mety rehefa hoe tsy mety dia tsy mety. Tsy mahazo mora kivy ihany koa anefa fa mila mikaroka vahaolana hatrany satria manana atidoha matanjaka lavitra noho ny solosaina ny olombelona, ary manam-panahy. Aleo hazava tsara : Ny olona no mametraka ny politika fa tsy ny politika no mametraka ny olona.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT