Antsojay amin’ny mpitarika sendika

Tsy ny SECES ihany no hihetsika


  • Zoma 24 Novambra 2023

Efa naneho finiavana lehibe ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES

sampana Antananarivo ka nanapa-kevitra hamarana ny taom-pianarana 2022-2023, hoy ny fanambaran’izy ireo omaly. Toa vara-datsaka anefa, hoy izy ireo, no valin’izany tamin’ny mpitondra fanjakana ka nanapahany ny karaman’ireo mpitarika ny sendika. Noho izany dia tsy ny SECES fotsiny ihany no mihetsika fa ny rehetra amin’ny sokajin’asa “mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra” iraimanontolo ary miombom-peo manameloka ny antsojay ataon’ny mpitondra. Miverina amin’ny fanapahan-keviny teo aloha ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ka mampiato indray ny fampianarana mandra-pahitana soritra mazava ny fepetra famerenana ny karaman’ireo namana mpitarika ny SECES, hoy hatrany ny SECES omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT