Nomelohin’ny fivondronan’ireo mpanao gazety na
Société des journalistes» (SJD) eo anivon’ny haino aman-jery frantsay TV5 Monde amin’ny herin’izy ireo manontolo ireo fandrahonana mpanao gazety avy amin’ny manam-pahefàna malagasy, raha ny fanambaràna nataon’ny SJD tao Paris ny 22 aogositra teo. Ny mpanao gazetin’ny France 24 sady TV5 Monde, Gaëlle Borgia, sy ny mpanao gazetin’ny RFI, Pauline Le Troquier, moa no nambaran’izy ireo fa niharan’izay fandrahonana izay. Hatramin’ny tapaky ny volana jolay teo, hoy ny fanambaràna, no nianjadiana teritery mampanahy ireo mpanao gazety ireo rehefa nanao fanadihadiana mombana trangana fahapoizinana ara-tsakafo nitohivakana nahafaty olona maro tanatina tsingerintaona amina faritra iray ao Antananarivo. Olona miisa 32 no maty tanatin’izany. Ny fanadihadiana lalina nataon’ireo mpanao gazety dia nahatonga ireo fampitam-baovaon’ny manam-pahefàna ao an-toerana hampiahiahy. Nandefa taratasy fitakiana ny fanoloana ireo mpanao gazety ireo avy hatrany ny minisiteran’ny serasera malagasy ary nandrahona ny hanenjika ara-pitsaràna noho ny antony heloka an-gazety sy fanohitohinana ny filaminam-bahoaka. Fandrahonana izay miharo fampanarahana fanasaziana sy mety hahatonga hatrany amin’ny fanagadràna mandritry ny 5 taona. Gaëlle Borgia dia nahazo ny laharana voalohany tamin’ny «prix Pulitzer» ary Pauline Le Troquier dia efa an-taonany maro izao no nanao fanadihadiana mikasika toe-draharaha samihafa ao Madagasikara. Ireo votoatin-tranga ara-politika, ekonomika, sosialy no nidinany kianja. Ny finiavan’ireo mpanao gazety ireo hitondra vaovao an-kalalahana, voamarina, madio dia nampiaiky ny tontolon’ny fanaovan-gazety sy ireo mpiara-misehatra amin’izy ireo iraisampirenena. Miantso ny manam-pahefàna malagasy, noho izany, ny SJD ao amin’ny TV 5 Monde mba hanatsahatra ireo teritery sy fikasàna hanao antsojay ireto mpanao gazety frantsay ireto fa hiantoka kosa ny fiarovana azy ireo amin’ny asany. Manohana tsy misy fepetra ireo mpanao gazetinay izahay, hoy hatrany ity fanambaràna ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.