Mandroso ny fanarenana ny orinasa JIRAMA. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny Angovo azo havaozina sy ny fampiasana solika.
Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny fifanampian’ny masoandro sy ny solika na « hybride » ao Antsohihy, izay fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny orinasa FirstEnergy. Hamokatra herinaratra 1,3 ka hatramin’ny 4,9 MW ity tobim-pamokarana herinaratra « hybride » ao Bekitrobaka Antsohihy ity ary tokantrano maherin’ny 3000 no hisitraka izany mivantana. Azo eritreretina arak’izany ny hanitarana ny tambazotra mpamatsy herinaratry ny JIRAMA. Ankoatra ny ao Bekitrobaka dia napetraka omaly ihany koa ny vato fototra hanorenana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny fifanampian’ny masoandro sy ny solika ao Anahidrano. Hamokatra 32KW ka hatramin’ny 4,9MW ity tobim-pamokarana vaovao ao Anahidrano ity izay vinavinaina ho vita amin’ny volana Desambra ho avy izao ka hisitraka izany ny tokantrano miisa 65 mpanjifan’ ny JIRAMA. Tombony amin’ny fampiasana ny herinaratra azo avy amin’ny fifanampian’ny masoandro sy ny solika ny fihenan’ny mason-karenan’ny famokarana herinaratra satria ny masoandro no hamokatra sy hamatsy amin’ny atoandro ary ny solika kosa ny alina. Ankoatra an’Antsohihy sy Anahidrano dia isan’ny hisitraka izao tetikasa izao ihany koa ny any amin’ny distrikan’i Mananara, Ambilobe, Marovoay, Nosy-Be, Sainte-Marie ary Ambanja.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.