Tsy miray hevitra hiaraka hiasa ireo olobe ao an-tanànan'Antsiranana eo amin'ny fandraisana andraikira amin’ny fiarovana amin'ny fihanaky ny tsimokaretina covid-19.
Nanentana amin'ny hananganana "cellule de crise" any Antsiranana ny solombavam-bahoaka filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Rahelihanta Jocelyne Maxime, nefa tsy niraika tamin'izany ary tsy namaly ny antso mihitsy ny lehiben'ny Faritr'Antsiranana sy ny tompon'andraikitry ny fahasalamana any an-toerana ary ny ben'ny tanan'Antsiranana fa ny lehiben'ny polisy sy ny lehiben'ny zandary ary ny lehiben'ny miaramila any an-toerana no niara-nivory taminy ka nomena baiko mba handrava ny fivorivoriana etsy sy eroa ao Antsiranana. Novatsiana vola nitentina 1 tapitrisa ariary tsirairay avy ireo "corps" 3 voalaza teo ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.