Tsy ampy ny solika ao
an-tampon-tanànan' Antsiranana ny faran'ny herinandro. Saika ahitana filaharam-be avokoa vokatr'izany ireo tobin-tsolika manerana ny tanana. Fiara am-polony no indray milahatra sy mivangongo indrindra fa ny Bajaj. Efa nanomboka nisy fiantraikany tamin’ny fivezivezena izany omaly Alahady 19 Aprily. Nampiakatra saran-dalana avokoa mantsy ny ankamaroan'ireo ireo taxi-ville. Raha manodidina ny 1.000 Ar ka hatramin'ny 1.500Ar izany hatramin'izay dia efa niakatra ho 2.000 Ar tamin’ny toerana sasantsasany. Manaitra ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny noho izany ny mponina mba hijery akaiky ity tsy fahampian'ny solika ao Antsiranana ity. Tsy Mbola.nahazoana valiny moa ny antony mahatonga izany hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny filaharana solika ao Antsiranana ao (Sary indrana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.