ANTSIRANANA

Naolan-drainy ny zanany vavy vao 17 taona


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Efa tena mihabiby ny olombelona sasany ankehitriny.

Tsy mahalala zanaka sy tsy zanaka intsony fa rehefa vehivavy dia mety avokoa ho an’ireo lehilahy efa maty fanahy teren’ny filan-dratsiny. Zazavavy kely iray vao 17 taona monja no fantatra fa nanamparan’ny Rainy ny filan-dratsiny tao Antsiranana, andro vitsivitsy lasa izay. Nisy ny fitarainana voarain’ny Polisim-pirenena ao amin'ny CSP1 Tanambao V momba izany ka nosamborina avy hatrany ity raim-pianakaviana ity afak’omaly Sabotsy 17 Febroary. Efa mandeha ny famotorana sy fanafihadiana hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia simba mihitsy ilay zazavavy kely ary ahiana hamoy fo ka mila tohana ara-tsaina goavana sy fandraisana an-tanana maika.
Pati
Legende : Ity ilay Ray nahavanon-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT