Misy ary mahery vaika ny tsindry bokotra ataon’ny manampahefana ao anatin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao.
Any Antsiranana, renivohitry ny Faritra DIANA no nisehoan’ity tranga iray ity ny herinandro teo. Mahakasika ireo vahiny lany andro ny fahazoan-dalany hipetraka eto Madagasikara ny resaka. Mpivady frantsay nanorim-ponenana tao Antsiranana tampon-tanàna no fantatra fa voaroaka tsy hahazo hipetraka eto Madagasikara. Anisan’ny antony ny fananany taratasy ara-dalàna hipetrahana eto. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia efa nahazo ny didy fampiharana io fepetra io ny mpitandro ny filaminana any an-toerana handefa azy mivady eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tamin’izay indrindra anefa no fantatra fa nisy ny teny midina, tamin’ny antso an-tariby, nataon’ny olona ambony ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, mandrara ny hanatanterahana ny fandroahana ireto frantsay ireto. Mena ambanin’ny mena ny mpitandro ny filaminana, dia niato toy ny tsy nisy ny resaka. Ny Minisiteran’ny atitany no manara-maso ny fipetrahan’ireny vahiny ireny eto, ary manome ny fahazoan-dalana hahafahan’ny vahiny mivezivezy sy mitoetra mandritra ny fotoana voatondro na maharitra eto. Mitatra amin’ny Minisitera hafa, indrindra ireo misahana ny filaminana anefa ny andraikitra, rehefa tonga amin’ny fampiharana didy fandroahana ny raharaha, na fisavana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.