Actualités

Antsiranana : Manahirana ny "Foroches"


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Tsy mandry fahalemana ny mponina ao an-tampon-tanànan’Antsiranana amin’ny afitsok’ireo andian-tanora mivondrona anaty fikambanana andian-jiolahy « Foroches ». Mbola tanora dia tanora tokoa, ary zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpikambana ao saingy dia mirona amin’ny herisetra ary tsy mamela mahazo. Mitondra faisana izay sendra azy ireo.

 

Tamin’ny taona 2008 fotsiny, ohatra, dia nahatratra 58 ny fandratrana olona vitan’izy ireo, teo anelanelan’ny volana janoary sy ny tapa-bolana voalohan’ny volana febroary tao Antsiranana tampon-tanàna. Nisy mihitsy aza ireo namoy ny ainy vokatry ny vono nataon’ireo « Foroches » ireo. Efa ho 50 lahy no nosamborina tamin’izay fotoana izay, ary nakarina taty Antananarivo. Ny sasany nalefa teny amin’ny toby fanarenana zaza kamboty Anjanamasina, ny hafa nalefa tany Ambatolampy. Nitaraina ny ray aman-drenin’izy ireo tany Antsiranana ary nandrahona hidina an-dalambe fa hoe : zaza tsara taiza ny zanak’izy ireo fa tsy zaza maditra, ary nitaky ny hamerenana azy ireo any Antsiranana. Nilamindamina anefa ny tanàna nandritra ny fotoana nitazonana ireo andian-jatovo ireo taty Antananarivo. Miverina indray ny tsy fandriampahalemana any Antsiranana rehefa naverina tany amin’ny fianakaviany avy ireo “Foroches” ireo. Fady ny mivoaka alina, raha tsy te hahita loza. Tsy mifidy io fa na gasy na vazaha fa lasibatra avokoa. Miala maina ny mpitandro ny filaminana. Lany haiky ny Faritra. Misy ny voasambotra fa tsy mampiato ny asan-jiolahy ataon’ireto “Foroches” ireto. Hany hery dia namory ny hery velona rehetra tao an-tanàna na mpanabe na mpitondra fivavahana na mpitandro ny filaminana na olom-panjakana, indrindra fa ny raiamandreny ny Lehiben’ny Faritra, nanao karazana loabary an-dasy hikatsahana vahaolana miaraka hampitsaharana ity herisetra ataon’ny “Foroches” ity, izay manome laza ratsy ny tanàna. Tao amin’ny Lapan’ny tanàna no nivoriana omaly. Lasibatry ny fanakianana ny Lehiben’ny Faritra DIANA, izay nilazan’ny ray aman-dreny tsy ampihambahambana fa nataon’ny mpanao politika fitaovana nitarihana olona teny amin’ny “Kianjan’ny 13 mey” ao Antsiranana nitadiavan-toerana ny filazana fa diso ny Fanjakana Ravalomanana nisambotra ireo tanora “Foroches”, ankehitriny anefa lazaina fa maditra indray ny ankizy. Fepetra ara-panabeazana no nifanarahan’ny rehetra, toy ny tsy hamelana ny zaza hivoaka alina, ny hanalana ireo takelaka dokambarotra misarika ny tanora any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Santionany ihany ireo.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT