Actualités

Antsiranana “Mahatratra 25 000 ny tsy an’asa”, hoy ny depiote Mahazoasy


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Tsy azo hamaritana n’inona n’inona ny amin’ny hoe fiverenan’ny resaka « Foroche » any amin’ny Faritr’i DIANA indray, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Mahazoasy Mananjara Freddie Richard omaly teny Tsimbazaza, satria efa tranga niverimberina hatramin’ny fitantanan’ny Repoblika faha-3 izy io ka mbola mitohy hatramin’izao......

Tsy fantatra marina, araka izany, ny hoe taiza no marefo ny fitondrana ka nanjakazakan’izy ireo tokoa. Amiko, hoy ity depiote ity, dia familiviliana saina ny firesahana an’ity hoe “Foroche” “foroche” ity fa ny tena olana izao dia ny fahafantarana fa mahatratra 25 000 ny isan’ny olona tsy an’asa any Antsiranana. Miteraka olana ara-piarahamonina ireo satria efa mihoatra ny antsasa-manilan’ny olona tonga taona ka tokony hiasa any an-toerana izany. Tsy mahagaga raha mitombo ny olon-dratsy mpisetrasetra sy mangalatra. Eo no ilana ny fanaingana ifotony ny resaka toekarena eto amintsika na ilay antsoin’ny Vazaha hoe : “relance economique”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT