Na dia mbola tsy ahitana olona mitondra ny tsimok’aretina coronavirus aza any amin’ny Faritra DIANA dia efa hentitra sahady ny fanaraha-maso ny
fahasalaman’ny mponina any an-toerana ka anisan’ireny ny ao an-tampon-tananan’Antsiranana. Toraka izany koa ny fampanarahan-dalana ny rehetra, indrindra fa ho an’ireo toeram-pivarotan-toaka izay mamorivory olona maro amin’ny ora fatoriana. Manoloana izany dia nanao be midina nijery ny zava-misy tany an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Bara maromaro noho izany no mbola tratra nivoha taorian’ny tamin’ny 10 ora alina ka voatery nakatona. Sady nanentana ireo tompon’andraikitra no nampitandrina ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.