Nisy namaky ny biraon’ny Faritra Vakinankaratra. Nandritra ny fananganan-tsaina omaly alatsinainy no nampandrenesana ireo mpiasa ny fisian’ity tranga ity.
Ny birao fiasan’ny Lehiben’ny Faritra mihitsy io nisy namaky io ka voalaza fa anisan’ny very tao ny solosaina iray mbola vaovao, zara fa nisy antontan-kevitra. Raha ny tombana dia mety ny alin’ny 24 desambra 2016 no nahavaky ny birao fa noho ny andro tsy fiasana ny faran’ny herinandro dia io alatsinainy 26 desambra io vao nambara io fahavakisan’ny birao io. Mpiambina miisa telo hatreto no efa nalaina am-bavany momba ity raharaha ity.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.