ANTSIRABE

Trano an-dalam-panamboarana namono olona


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Trano iray mbola eo an-dalam-panamboarana no fantatra fa namono olona iray tany Antsirabe,

Faritra Vakinankaratra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra dia ilay mpanao trano iray ihany no lasibatra tamin’izany nandritra ny fanalany ny "coffrage" tamin’ilay trano vao amboarina. Tototry ny varafasy izy ka namoy ny ainy tsy fidiny vokatr’izany. Na izany aza mbola nanao ezaka mafy ny mpamonjy voina sy ny polisy tao Antsirabe nisikotra azy tao ambanin’ireo biriky sy vy marobe nandrafitra ilay trano. Teny an-dalana handeha hamonjy ny CSB II tao Ambohimiarivo moa no namoy ny ainy ity mpanao trano ity. Marihina moa fa mialohan’ny hananganana trano tahaka izao dia misy ny fanadihadiana tokony hoataon’ny kaominina hahafantarana raha mety hahazaka trano misy rihina ilay tany na tsia. Toraka izany koa ny hafahafaha manorina eo amin’ilay toerana na tsia izay vao mivoaka ny taratasy fahazoan-dalana. Mandritra izany no hanomezana toro-hevitra ilay tompon-trano ny amin’izay tokony hoataony raha ilaina hisorohana ny loza mety hitranga, indrindra fa ny aina mety hafoy tahaka izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fisokirana ilay mpanao trano maty tototra tao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT