Nanam-bola tampoka indray ny fanjakana nandoavana ny karaman’ny sefo fokontany. Nozaraina tampotampoka ny faran’ny herinandro teo mantsy ny karaman’izy ireo ka ny tao Antsirabe renivohitra no nisantatra azy
Fantatra fa karama 4 volana monja ireto nozaraina ireto, araka ny vola voarain’ny Faritra raha ny nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Atoa Mandrindra Andrianjanaka. Tsy hanenjehana ny fifidianana fa rariny raha mba mandray ny tambin-karamany ireo lehiben’ny fokontany, hoy izy niolaka raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety. Ny volana Aogositra 2014 no nandraisan’ireto lehiben’ny fokontany ireto farany ny tambin-karamany. Ny volana septambra, oktobra, novambra ary desambra ireto noraisina ireto. Raha tsiahivina, efa nisy fitokonan’ny lehiben’ny fokontany tsy handray anjara tamin’ny fifidianana ny taona 2013. Ahiana indray ny hiverenan’izany angamba dia naleo naloa nialoha izany mba tsy hiteraka fikorontanan’ny fifidianana.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.