Efa miaina volon’andro fety tanteraka ny renivohitr’i Vakinankaratra
amin’izao fotoana.
Raha ny fandaharam-potoanan’ny Faritra sy ny
Kaominina Antsirabe renivohitra dia nanomboka ny Sabotsy 21 jona ny
fankalazana ny fetim-pirenena ka hetsika ara-panatanjahantena maro
sosona no nanombohana izany,toy ny fifaninanana Tsipy kanetibe teo
amin’ny lapan’ny tanàna, ny fanokafana ny taom-pilalaovan’ny
ligin’ny Rugby ary ny fifaninanana teo amin’ny haiady “Kick Boxing”
teo anoloan’ny tsangambaton’ny fahaleovantena. Raha iny manoloana ny
araben’ny fahaleovantena iny moa dia efa somebiseby tanteraka ny
fivarotana zava-pisotro, izay ny misy alikaola no mibahana amin’izany
ary hita ho gaboraraka tanteraka na dia nisy ilay didy
fampitahorana nataon’ny lehiben’ny distrika iny aza izay toa tsy misy
lanjany aloha hatreto. Ankoatra izay dia fantatra fa anisan’ireo hahazo
Afomanga tahaka ireo renivohi-paritany 6 manerana ny Nosy ny eto
Antsirabe mandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena ny 26 jona ho avy
izao raha ny nambaran’Atoa Andriamasimanana Samuel Bertin, Lehiben’ny
Faritra Vakinankaratra ka ny harivan’ny Alarobia 25 jona no hanaovana
izany eo anoloan’ny “Hotel des Thermes”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.