Nirongatra indray tato ho ato ny fifohana rongony manerana an’Antsirabe. Saika ny elakela-trano dia ahenoana izany avokoa.
Manoloana izany dia manomboka mandray fepetra ny mpitandro filaminana. Misy ny fidinana ifotony ho an’ny polisim-pirenena any amin’ny faritra Ambohimena amin’ny fotoana tsy raikitra mba hitiliana ireny faritra somary mihataka ny tanàna ireny izay hifamotoanan’ny tovolahy sy tanora mifoka izany. Ny alin’ny alarobia 10 septambra tokony ho tamin’ny 8ora lasa teo dia tovolahy roa no saron’ny polisy misahana ny fisafoana teo akain’ny toerana antsoina hoe Ratsarafanahy. Vao nahita ireo mpitadro filaminana izy roalahy dia nitsoaka ary nifanenjehana eran’ny elakela-trano ary tratra avokoa. Mbola nahatrarana ambina rongony nofohina tany aminy. Nandritra ny fanadihadiana no nanoroan’izy ireo ny mpivarotra. Natao ny vela-pandrika ka tratra ireo mpivarotra rongony mpianaka izay vehivavy avokoa. Fonosana rongony niisa 6 sy tapany no tratra tany amin’izy ireo, izay fantatra fa amidy 1.000 Ariary ny fonosana iray. Omaly zoma 12 Septambra no natolotra ny fampanoavana ireo olona efatra ireo ary dia notanana am-ponja vonjimaika avokoa. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana moa fa fototry ny asa ratsy rehetra ny fiparitahan’ny mahadomelina itony ka mahatonga ny vaky trano sy ny fanolanana isan-karazany ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.