Actualités

Antsirabe Miparitaka ny taolam-paty …


  • Talata 01 Jolay 2014

Atao Gras encadré : tsy mbola misy mangirana ny momba itony resaka taolam-paty itony. Ny mpangalatra sy ny mpivarotra ihany no tratra fa ny mpaniraka sy ny tompon’ny atidoha tsy mba tratra izany…

Miverina indray ny fiparitahan’ny taolam-paty eto. Ny tolakandron’ny Alahady 29 jona lasa teo dia nahitana taolana nilanja 10 kg teo indray tao amin’ny fokontany Mahazoarivo
atsimo, manodidina ny Cenacle iny. Tsy dia lavitra ny tranon’ny komitim-pokontany moa no nahitana ity tranga ity ka dia nantsoina avy hatrany Atoa Andrianantenaina Benah, tompon’andraikitry ny boriborintany manodidina ny Cenacle Antsirabe iny. Nambarany fa tao
anaty tatatra no nahitan’ny ankizy nilalao ity taolan-drazana ity. Somary mandomando ilay izy ka noheverin’izy ireo ho zava-dehibe. Nakarina an-tanety ary notatahan’izy ireo ny kitapo. Akory ny hatairany rehefa nahita fa toa taolan’olona no tao, izay taolan-dava avokoa. Sambany hoy izy  no nisin’ity resaka taolam-paty ity tao amin’ny faritra iadidiany ity. Nambarany fa mety zavatra saika hamidin’izay naka azy izy io ka tsy lafo dia nariany fotsiny. Ny fanazavana avy amin’ny  Ofisie Ramanantoanina Marie Celestin dia tsy mbola misy fitarainana vaky fasana voarain’izy ireo hatramin’izay tao amin’ny polisim-pirenena. Nambarany fa rehefa tsy misy maka ireo taolana dia halevin’ny BMH eny amin’ny fasam-bahiny avy hatrany aorian’ny fahavitan’ny fitanana an-tsoratra sy ny fanadihadiana amin’izay mahita azy. Hatreto moa dia tsy mbola misy mangirana ny momba itony resaka taolam-paty itony. Ny mpangalatra sy ny mpivarotra ihany no tratra fa ny tena mpaniraka sy ny tompon’ny atidoha tsy mety azo. Mampalahelo ny trangan-javatra mitranga fa toa efa tsy misy vidiny amin’ny Malagasy intsony ny razana amin’izao fotoana. Asa na noho ny firoboroboan’ny fiangonana lazaina fa zandriny izay toa mandrisika ny mpino ao aminy ho  amin’ny tsy
fanajana ny razana fa dia zary lasa miparitaka etsy sy eroa ary tonga hatrany anaty fako ny taolam-paty amin’izao fotoana izao. Mampieritreritra ary mila fandraisan’andraikitra hentitra avy amin’ny mpitondra fanjakana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT