Actualités

Antsirabe Manao izay tiany ireo taksibe


  • Talata 26 Aogositra 2014

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teo anoloan’ny garan’Antsirabe ny alahady 24 aogositra 2014 lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 sy sasany teo ho eo

Nanondrana indray mantsy ny taksibe laharana faha-14 izay mandalo amin’iny anoloan’ny gara iny. Soa aloha fa tsy ilay tolakandro mahabe ny olona iny no nitrangan’ny loza fa asa izay nitranga. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia nirimorimo be ilay fiara fitaterana, ilay fiara Golf ihany koa tsy nijanona ny Stop tokony hijanonany ka dia nofaohan’ilay fiara mpitatitra. Ramatoa lehibe iray nipetraka anoloana tamin’ilay Bus no naratra mafy ka nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana fa tsy nisy dia naninona ankoatra izay. Goavana kosa ny fahavoazana ho an’ny roa tonta. Marihina fa nitsoaka avy hatrany  ny mpamily ilay Bus raha vao tafajanona ny fiarany. Hatramin'ny nipetrahan'ny mpitondra amin'izao fotoana moa dia saika gaboraraka avokoa ny lafin-javatra eto Antsirabe eto, tahaka izao amin'ny fitaterana izao izay samy manao izay tiany ny rehetra ka ny mpanjifa no mizaka ny vokany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT