Fararanon-danonana tanteraka ny tao Antsirabe taorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bakalorea teo iny.
Hetsika maro no nisesy nentina nampialana voly ireo mpanala fanadinana. Tao ny nandoavam-bola ary nisy koa ny maimaimpoana. Nanomboka ny alakamisy 21 aogositra dia nisy ny hetsika niarahana tamin’ny Agrad & Skaiz tao amin’ny Hotely Diamant izay nahasarika ny tanora tokoa, nitohy tamin’i Marion ny Sabotsy 23 aogositra hariva. Io sabotsy hariva io ihany dia nisy ny Smile Party, hetsika voalohany nataon’ny onjam-peo RDJ tao amin’ny Hotel des Thermes, izay nahasarika ihany koa ireo tanora. Ny omaly Alahady dia zavon-tany ny hetsika satria teo ny fampisehoana maimaimpoana nataon’ny KT Ambatovinaky tao amin’ny kianjan’ny Loterana sy ny teo amin’ny kianjan’ny kolontsaina izay niarahana tamin’ireo tarika mpihira “Gospel” niisa 6 be izao. Ankoatra ireo dia nisy ny fampisehoana nataon’ny tarika Ny ainga tao amin’ny kianjan’i Tsarasaotra ho fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny fikambanana Fifata ary farany dia teo ny hetsika Urban Fiesta niarahan’ireo tanora tamin’i Odyai sy ry Martiora Fredoom sy ny tariny. Ankoatra ireo moa dia mbola teo ny lalao baolina kitra tao amin’ny kianjan’i Vélodrome. Ity alahady ity moa dia somary nangatsiaka ireo hetsika nandoavam-bola ka na ny tarika ny Ainga aza dia tsy nahafeno intsony ny kianja Tsarasaotra toy ny mahazatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.