Actualités

Antsirabe II Mpitrandraka vato an-tsokosoko 12 voasambotra


  • Talata 08 Septambra 2020

Mpitrandraka vato an-tsokosoko niisa 12 no voasambotra nanomboka ny farapararan’ny herinandro lasa teo, fa sarona nitrandraka tao anatin’ny faritra arovana ao Ibity, distrikan’Antsirabe faharoa.

 

 

 

 Raha ny fantatra dia anaovan’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna latsak’ alina ny fitrandrahana ireo vato ao amin’ity faritra arovana ity. Tsikaritry ny mponina sy ny MBG misahana ny fiarovana ny faritra izany ka ireto farany no nampandre ny teo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny borigady Andranomadio eto Antsirabe. Nidina ifotony ireto farany ny alin’ny zoma teo nanao haza lambo ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna ireo ka valo lahy no voasambotra tamin’izany. Ireo indray no nanoro ny namany hafa ka nahatonga ny isa ho 12 hatreto. Marihina moa fa vato indostrialy ireto misy mitrandraka ireto. Nomarihin-Rtoa Tojo Ratefason talem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankaratra fa ny lalàna 2015-005 tamin’ny 26 Febroary 2015 no mandrara ny fitrandrahana anaty faritra arovana ka izany no vesatra hiampangana ireo vosambotra. Tsy hijanona eo anefa io isa io raha ny fanazavany satria mbola maro ireo voatonona anarana sy mpividy ny vato no karohana. Tsy vao sambany akory no misy mitrandraka an-tsokosoko ny vato amina faritra arovana ao Ibity Antsirabe II fa efa ela no nahalalana azy ity ka izao tra-tehaka izao ihany ny ampahany amin’ireo mpitrandraka ireo.

Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT