Actualités

ANTSIRABE II Mitotongana ny vidin’ny karaoty


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Mitotongana ny vidin’ny karaoty ao Antsirabe amin’izao fotoana ka velon-taraina ny tantsaha mpamboly. Ny ao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa no mahatsiaro ho lasibatra amin’izany

 

. Eo aloha ny haratsian’ny lalana izay 7 km monja miala ny renivohitra kanefa dia ora 2 mahery vao afaky ny fiarabe mpitatitra entana. Eo ihany koa ny fahatsaran’ny vokatra izay nitobaka ka nampidina ny vidin’ny vokatra ihany koa. Hararaotin’ireo mpijirika mba hividianana mora ny vokatra izany. Fantatra fa 200 Ariary ny iray kilao any an-toerana, izay lazain’ny tantsaha fa mbola mora satria 300 ka hatramin’ny 400 Ariary izany rehefa tonga eto Antsirabe. Efa tafakatra hatrany amin’ny 1.200 Ar izany ny faramparan’ny taona teo iny nandritra ny fahavaratra ka nahatapaka ny lalana. Nambaran’ireo tantsaha fa nety taminy ny vidim-bokatra tamin’izany raha ny fanazavana nentin-dRija, mpamboly ao amin’ny kaominina Alakamisy Ambano. Manodidina ny 600 kilao eo ho eo ny vokatra azon’izy ireo amin’ny tany iray ara amin’izao fotoana nefa dia misy manana am-polony taonina maro amin’izany ny mpamokatra sasany saingy mikatso ny vokatra izao. Fanaon’izy ireo moa ny mitondra ny vokatra mandeha mivantana aty Anosibe teo aloha saingy niato izany noho ny fisondrotan’ny saran’ny fiarabe mpitatitra maka izany any an-toerana noho ny haratsin’ny lalana. Antso avo, araka izany, no ataon’ireo mpamokatra amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana iny lalana iny. Marihina moa fa saika ao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa ihany no tena mamokatra ny karaoty manerana ny Nosy.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT