Azo lazaina fa fahombiazana ny fankalazana voalohany ny fetin’ny Pentekosta nokarakarain’ny sosialin’ny Polisy Monisipaly ho an’ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe raha ny tombana nataon’ireo mpikarakara sy ny mpitantana ny Kaominina. Nambaran’Atoa Randrianarison Olivier, lefitra voalohan’ny Delegasiona manokana no sady mpiahy voalohany ny hetsika fa na sambany aza no nandraisan’izy ireo ity hetsika ity sady namohazana indray ny kolontsaina mampiavaka an’i Vakinankaratra tamin’ny alalan’ny “Sôva» dia nahaliana ny maro izany tamin’ny alalan’ny fifaninanana isam-pokontany. Ondry mifahy sy zavamaneno toy ny aponga no loka. Na izany aza dia notolorana loka koa ireo rehetra nandray anjara tamin’ity hetsika Pentekosta tao Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.