Actualités

Antsirabe Gadra 5 lahy niatrika CEPE


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Efa notanterahina teto fa nizotra am-pilaminana tanteraka ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo tao Antsirabe ka efa eo am-piandrasana ny valiny avokoa ireo kilonga, izay efa fantatra fa hivoaka anio

Tahaka izany koa ireto vatandahy niisa 5 mianaka, izay voafonja tao Antsirabe anisan’ny niatrika iny fanadinana iny niaraka tamin’ireo kilonga ireo ka mba miandry valiny koa. Efa nahazo taona ihany ireto olon-dehibe ireto, sahabo ho 55 taona eo ho eo ny zokiny indrindra. Laza adina toy ny an’ny ankizy ihany moa no nanadinana azy ireo satria tena mpanala fanadinana toy ny rehetra ihany izy ireo. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa ireo Masera mpikarakara ny voafonja no nisahana ny fampianarana azy ireo sy nanomana ny fandraisany anjara amin’ny fanadinana ka ao am-ponja ihany no hanaovana izany. Avy any ambanivohitra no fiavian’izy ireo, tsy mbola nahita fianarana mihitsy raha tsy tao am-ponja. Ny roa tamin’izy dimy lahy no efa nandalo fitsarana fa ny telo kosa mbola miandry ny fitsarana azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT