Fatin-jazakely iray efa tsy nisy tapany ambany intsony no hitan’ny fokonolona nentin’ny alika omaly maraina tao amin’ny fokontany Mahafaly Vatofotsy Antsirabe, Faritra Vakinankaratra.
Raha ny vinavinan’ireo nanatri-maso dia mety efa nalevina io fatin-jazakely io , saingy tsy lalina loatra ka nangadian’ny alika ary tongany teny ivelany.Ny ahiahin’ireo mponina sasany koa anefa dia hoe : fatin-jaza vao nariana mihitsy ity nentin’ny alika ity.Efa tonga nizaha ny zava-misy moa ny teo anivon’ny BMH sy ny polisy , ary andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny fanadihadiana.
Pati’
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.