Actualités

ANTSIRABE Delestazy omaly tontolo andro


  • Alatsinainy 27 Jolay 2015

Nataon'ny Delestazy nahita indray Antsirabe iray vohitra ny alahady 26 jolay lasa teo. Tsy fantatra mazava ny anton'ny fahatapahana fa tombanan'ny maro ho tany amin'ny 1

 

 ora maraina tany ho any izany no tapaka ary efa ho tamin'ny 4 ora hariva mahery kely vao niverina izany. Tsy nisy moa fanazavana azo noraisina satria ny onja-peo rehetra tsy nisy nadeha avokoa eran'Antsirabe. Isan'ireo nijafajafa tanteraka moa ireo mpivarotra mitahiry entana amin'ireny vata fampangatsiahana goavana ireny, toy ny mpivarotra hazan-dranomasina isan-karazany izany satria nitsonika avoko ny glasy. Asa aloha raha hisy ny fepetra ho raisin'ny Jirama amina tranga toa ireny satria raha avy any amin'ny mpanjifa ny olana dia kinga ery izy ireo manapaka ny jiro sy rano.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT