ANTSANITIA MAHAJANGA

Mpianatra 5 mpanao « voyage d’études » natelin’ny ranomasina


  • Zoma 25 Aprily 2025

Mpianatry ny lisea avy ao Manjakandriana miisa 5 mianadahy no fantatra fa natelin’ny

ranomasina tao Antsanitia Mahajanga omaly Alakamisy 24 Aprily hariva. Nilalao ranomasina izy ireo raha araka ny vaovao voaray ka samy maty dobon-drano na dia niezaka ny nifamonjy aza. Iray vavy, efa-dahy izy ireo samy eo anelan’ny 14 ka hatramin’ny 18 taona eo ho eo avokoa. Efa naterina ao amin'ny tranom-patin’ny hopitaly Manara-penitra Mahavoky Atsimo avokoa moa ireo Razana hoy hatrany ny vaovao. Fantatra fa hanao voyage d’etudes no nivoahan’izy ireo ny tokantranon-dRay aman-dReniny. Indrisy anefa fa vatana mangatsiaka sisa no tsy maintsy entina mitodi-doha mody. Eo am-piandrasana ny fianakaviany izy ireo. Tsiahivina fa anisan’ny ranomasina hafakely Antsanitia. Misy faritra azo hilalaovana tsara eny afovoany saingy saro-pady ka rehefa mitambatra ny ranomasina dia manjavona ilay toerana, antony tsy maintsy hitandremana.
Pati
Legende : Ireo razana efa tonga ao amin’ny tranom-paty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT