Hisaorana ny mpitondra mba mihaino anay solombavambahoaka ihany, hoy ny depiote Ramarolahy Maurice ka nandefa iraka manokana nijery ny zava-misy marina tany Antsalova (Melaky) ary dia tonga tany an-toerana mihitsy moa ny praminisitra ......
niaraka tamin’ireo minisitra tompon’andraikitry ny filaminana sy ny minisitry ny fitsarana nametraka an’i Foara tamin’ny fomba ofisialy. Efa nilaza mantsy ity farany, hoy izy, fa raha mbola nitohy ny fanenjehana azy dia aleoko mijanona fa mba manan-javatra atao ihany ny tenako. Nampanantena fa hanome fitaovana hanatanterahana ny dinan’i Foara moa ny praiminisitra, hoy ny depiote Maurice, ka efa nanolotra moto iray hoentina miasa ary mbola hanolotra fiara ihany koa. Soso-kevitra atolotray any an-toerana koa, hoy izy, ny tokony hanomezana ireo basy tratra sy nogiazana an’ireo mpanara-dia ny omby very sy ireo kalaony izay homen’ny zandary fiofanana manokana, toy izay ho simbasimba sy ho lo fotsiny any am-pitehirizana azy ireny fitaovana ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.