Actualités

Antsakaviro Vaky ny fantsona mitondra rano, tondraka ny tanŕna


  • Talata 09 Septambra 2014

Omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny sivy ora dia vaky ny fantsona lehibe iray mitondra ny ranon’ny Jirama eo amin’ny tetezana Antsakaviro iny. Vokany, dibo-drano ny tanŕna ary azo lazaina fa tondraka mihitsy ny manodidina

Nitohana tanteraka ny fifamovoizana tamin’ny fotoana nitrangan’ny fahavoazana. Raha ny fantatra dia fiarabe no sendra nandeha teo amin’ilay tetezana misy ny fantsona ka nitarika avy hatrany ny fahasimbana.  Nisy fiarakaretsaka 4L nikasa ny handeha ihany na dia efa hita aza fa sarotra ny lalana kinanjo dia tafajanona teo. Raha araka ny fanazavan’ilay mpamilin’ilay fiara dia efa niantso ny mpamonjy voina izy mba hanavotra azy saingy tsy nisy mpihaino. Voatery nanavo-tena na dia efa nilon-drano nandritra ny fotoana maharitra aza. Betsaka moa ny olona no efa nanampo ihany izao fahavoazana izao satria efa nisy tamin’izy ireo no nahatsikaritra fa raha misy dona mafimafy dia mety hirodana mihitsy hatramin’ny tetezana satria hita fa efa ratsy dia ratsy tokoa io fotodrafitrasa io. Ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny orinasa JIRAMA dia voina toy ny voina rehetra iny nitranga omaly iny fa tsy niankina tamin’iza na tamin’iza. Tsy   fantatra izay antony nahatonga ilay fahavakisana  fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny kaominina hatramin’ny omaly. Mba hahafahana manarina haingana ny simba anefa  dia voatery notapahina ilay tetezana kely mihazo an’i Betongolo  nijerena ilay fantson-drano vaky.Am-perinasa tanteraka hatry ny omaly alina ny mpiasan’ny Jirama ho fanmborana ity fantsona ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT