Actualités

Antsaharatsy Viliahazo Avaradrano Halevina anio ilay ramatoa notifirin’ny jiolahy


  • Zoma 05 Septambra 2014

Nitrangana fanafihan-jiolahy nampihoron-koditra tany amin’iny faritra avarabaratr’Antananarivo iny ny talata alina teo tokony ho tamin’ny 8 ora. Mpivarotra roa ao amin’ny tanŕna antsoina hoe Antsaharatsy any Viliahazo distrikan’Avaradrano no lasibatra ka ny voalohany dia mpivarotra saika nividy omby tany Talata tamin’io andro saingy tsy nahazo ka nitondra vola bebe ihany nody ary dia io narahan’ny jiolahy io

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

. Nitonona ho zandary ry zareo tamin’ny nandondona ity tokantrano voalohany ity saingy fantatr’ilay rangahy fa jiolahy rehefa notazaniny teny an-davarangana ka niditra ny trano izy. Nanaovan’ireto jiolahy amboletra tamin’ny famaky sy baramina ny varavarana tao ambany rihana ary saika hamaha ny fandrakotra miakatra any ambony izy ireo no nanohitra mafy izany ilay ramatoa tompon-trano sy ny zanany. Teo no nitifiran’ireto jiolahy an’ireo nanindry ny fandrakotra ka ilay ramatoa no voa teo amin’ny kibony ary nivoaka tany an-damosiny ny bala. Rehefa tafakatra tao ambony izy ireo dia mbola nokapainy famaky ihany koa ny tongotr’ity ramatoa manodidina ny 40 taona ity. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 5.500.000Ar. Tsy nijanona tamin’izay ireto jiolahy fa nalain’izy ireo ankeriny ny zanak’ity maty ity nanoro ny tranon’ny mpivarotra iray hafa tao an-tanàna ary dia mbola nahazoan-dry zareo vola 400.000 Ar koa saingy mba tsy novonoiny. Nihazo ny lalana mianatsimo ireto jiolahy, hatrany amin’ny 20 tany ho any araka ny fanamarihana azo, ka tao Fieferana indray izy ireo no nanafika mpivarotra mbola nahazoany volabe koa. Torak’izany koa avy eo ny tany Ambohitriniandriana. 20 minitra teo no tonga tany Antsaharatsy  ny zandarin’i Sabotsy Namehana miandraikitra an’iny faritra iny saingy tsy nahatratra ireo jiolahy intsony izay nanivatsiva tanimbary ny lalany. Mandry tsy lavo loha indray Avaradrano iray manontolo manoloana ity trangan-javatra mampihoron-koditra ity. Marihina fa anio no halevina any amin’ny fasan-drazany any akaikin’Anosimanjaka ny nofo mangatsiakan’ilay renim-pianakaviana maromaro anaka ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT