Antoko politika Otrikafo

Manahy rà mandriaka amin’ny raharaha Base Toliara


  • Alarobia 30 Jolay 2025

Manoloana ny savorovoro mitranga ao amin’ny faritra atsimo andrefana,

ao amin’ny kaominin’Ankilimalinike sy ny manodidina azy, hoy ny fanambaran’ny antoko politika Otrikafo omaly, dia manahy ny hisian’ny rà mandriaka ateraky ny fepetra noraisin’ireo tomponandraiki-panjakàna any an-toerana ny antoko Otrikafo. Fananganana fikambanan’ny vondron’olona ifotony nampisalorana ny anarana hoe «Voromahery»; izay nofaritana mazava fa hanampy ny zandary sy ny polisy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana kanefa dia paikady maloto natao hitiliana sy hisamborana ireo mpitarika sy ireo mpiaradia manohitra ny tetikasa Base Toliara tamin’ny fampiasàna ampahana mpikambana hanao milisy izany, hoy ity antoko ity. Maro tamin’ireo mpikambana no nahatsapa fa nofitahina ka niala tao amin’io fikambanana io ary vokatr’izany no nitarika ny fifampirafesana sy ny fifandonana teo amin’ny samy mponina ao an-toerana. Fampiasàna ireo mpitandro filaminana, tandroka aron’ny vozona, ho herim-pamoretana ka mampihorohoro mponina ary ny tena loza dia ny fanosihosena ny zo mahaolona natao tamin’ireo voasambotra amin’izao raharaha izao. Noho izany, ho firaisankina amin’ireo vondrom-piarahamonina manohitra ny tetikasa Base Toliara sy ireo mponina an’arivony ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II, izay manohana azy ireo, ny antoko Otrikafo dia mitaky tsy misy fepetra ny fampitsaharana avy hatrany ny tetikasa Base Toliara, ny famotsorana tsy misy atak’andro ireo olona nosamborina noho io raharaha io, ny fampitsaharana ny famoretana rehetra atao amin’ireo mpitarika sy mpanao fihetsiketsehana manohitra ny tetikasa Base Toliara. Ny fanesorana avy hatrany ireo lazaina fa mpitandro filaminana nalefa ao an-toerana mampihorohoro sy manakorontana vahoaka, ny fanajàna ny zo fototra sy ny fahalalahan’ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ity fanambaràna tetsy Andravoahangy ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT