Antoko politika Maeva

«Handray fepetra koa izahay raha sanatria tsy hifampihaino isika!»


  • Alarobia 29 Janoary 2025

Nidina tany amin’ny fahapotehana i Madagasikara tao anatin’izay 65 taona izay, hoy ny antoko politika

Maeva na Madagasikara endrika vanona, ary tsy azon’iza lavina izany. Isan’ny anton’izay, hoy ny filohan’izy ireo, Mamy Raharimanana, ny hoe jamban’ny vola ny mpanao politika. Fahapotehana satria tena anatin’ny fahapotehana tanteraka isika izao, hoy izy, milahatra amin’ireo firenena nitovy laharana tamintsika taloha. Miantso foana ny Maeva hoe aoka mba ho tena mpanao politika tena mijery ny tombontsoam-pirenena amin’izay no hijoro. Ny fanaovana politika eto Madagasikara dia lasa ohatran’ny kiantranoantrano, misy fifanarahana ambadika, filalaovana ny vahoaka malagasy, tsy misy manaraka intsony ny atao hoe etika politika. Mandeha ankehitriny ny fiantsiana eo amin’ny andaniny sy ankilany. Ny iray milaza ho manana ny fahefana. Ny iray milaza ho manana ny rariny sy hintsiny ary manana olona afaka manohitra ny mpitondra. Hifamono eto ary ve isika sa hoe hisy fahefana ho atsangana indray dia amin’ny alalan’ny famonoana, hisy maty sy maratra, trano may, potika sy rava fananana ny vahoaka malagasy? Mbola sarihina hiditra amin’ny ady ihany ve nefa efa anaty fahantrana? Sao dia mba efa lany andro izany 13 may izany? Sao dia mba efa lany andro izany hoe izay midina eo dia vonoina izany? Tsy mba afaka haneho hevitra mivantana ve ny olona na mpanao politika fa ho samborina na vonoina na gadraina? Tsy mba afaka hifampiresaka an-databatra boribory ve isika fa dia efa mahamenatra mihitsy manoloana izao tontolo izao? Tsy misy ady eto na mifandramatra nefa dia tena mahantra tanteraka ny firenena sy ny vahoaka. Ho tomponandraikitra feno ny mpitondra ankehitriny raha tsy mandray fanapahan-kevitra ijerena vahaolana. Raha tena manam-piniavana sy fitiavan-tanindrazana tokoa andriamatoa Andry Rajoelina, filoham-pirenena, dia tokony ho izy no handray andraikitra mivantana. Miantso koa ny tomponandraikitry ny tafika mba tena handray andraikitra satria raha ireny vaovao sy resaka mandeha amin’ny tambazotran-tserasera ireny no sanatria tena tanteraka eto Madagasikara dia tena mampidi-doza tokoa! Tsy misy afa-tsy ny latabatra boribory no ahitàna vahaolana hitantanana ity Madagasikara ity. Averinay ihany hoe raha sanatria misy fifanarahana na «deal» any hoe hananganangana governemanta na hoe hamboly korontana dia hifampizarazara seza eo, tsy manaiky izany tompoko ny antoko politika Maeva. Be dia be ny azo atao raha sanatria mitranga izany. Mbola miantso aloha izahay izao fa handray fepetra koa izahay raha sanatria tsy hifampihaino isika, hoy hatrany ny Maeva!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT