ANTOKO MPIHIRA VOAPOIZINA ARA-TSAKAFO

160 naiditra hopitaly tao Ikalamavony, 15 tena atahorana


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Nitera-doza ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2024 notanterahin’ny

antoko mpihira eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy any amin’ny distrikan’Ikalamavony toy ny fanaony isan-taona afak’omaly Sabotsy 10 Febroary. Olona miisa 160 mantsy no tratra ny fahapoizinana ara-tsakafo nanomboka ny Sabotsy alina ka feno hipoka ny hopitaly mandrapaharainan’ny andro. Ny 15 isa tamin’ireo no fantatra fa tena ahiana mafy ny ainy ka voatery nafindra ao amin’ny CSB-II manaram-penitra. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia misy zaza, olona bevohoka ary Ray aman-dReny izy ireo. Mety ho "menaka" efa lany daty hoy ny olona saingy nampiasaina hosoka no antony niteraka fahapoizinana ho azy ireo ka nahavoafitaka ny mpanjifa. Tsiahivina moa fa samy nitondra vary masaka ny tsirairay fa nisy kosa ny laoka nifampizarana sy ireo sakafokafo nomanin'ny antoko mpihira mba ho hiarahana izay ahiana ho nisy ilay menaka. Rehefa vita moa ilay sakafo dia nisy ambiny tsy lany ka nozaraina indray izany ary samy mbola nitondra ny rehetra. Nitovy avokoa moa ny fitrangan’ilay aretina. Nandoa tamin’ny voalohany, nitohy tamin’ny fivalalana izany ary fanina ny sasany taty aoriana. Na izany aza tsy mbola nisy ny aina nafoy. Nasaina nanatrika ity fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2024 ity ireo Ray aman-dReny sy olom-panjakana tao an-toerana.
Pati
Legende : Nitsipalay eran’ny hopitaly tahaka izao ireo narary rehetra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT