Nodimandry tany Antanimora Ambovombe Androy ny alatsinainy 15 jona 2020 teo ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko politika Mouvement national pour l’independence de Madagascar na Monima, Rufin Sokaky.
Efa filohan’ny tanora Monima izy ny taona 1970 ary lasa mpikamban’ny birao foiben’ity antoko ity ny taona 1976. Ny taona 1994 kosa no naha voafidy azy ho filoha lefitra nasionalin’ny Monima. Niara-dia hatrany tamin’ny filoham-panorina, Monja Jaona, ny tenany, araka izany, ary efa mpikambana teo anivon’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ny taona 2009. Ny gazety Tia tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.