ANTOKO FANOROLAHY

Mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana


  • Talata 12 Martsa 2024

Mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny antoko Fanorolahy,

tarihin’ny filoha nasionaly Randrianary Jose. Zana-kazo maro samihafa nahatratra 400 fototra no novolen’izy ireo teny amin’ny sisin-dalana Tsarasaotra, distrikan’Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny nasionalin’ny antoko Fanorolahy dia anisan’ny ady hiarahan’ireo manam-panahy rehetra manana ny fiarovana ny tontolo iainana hahafahana miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tena misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainantsika zanak’olombelona tokoa mantsy hoy izy io fiovaovan’ny toetr’andro io raha tsy hiresaka afa-tsy ny lafiny ara-pahasalamana isika. Izany indrindra no nanosika anay hanao hetsika tahaka izao hoy hatrany izy. Ankoatra izay moa dia notsindriany manokana ihany koa fa afaka hamboly malalaka ireo tantsaha mpamokatra rehefa milamina ny toetr’andro, izay tafiditra ao anatin’ny asa hilofosan’izy ireo ankehitriny. Fanomezana fiofanana arahina fizarana masomboly sy zezika no tanterahin’ny antoko ao anatin’izany ao anatin’ilay teny filamatra hoe : hamboly isika ka hahavokatra hahafahana mandresy ny fahantrana. Pati
Legende : Nanome maodely tsara ireo mpikatroka tahaka izao Randrianary Jose, filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT