Nipoapoaka ny basin’ireo dahalo nangalatra omby tao Atoko, avaratry ny kaominina Antoetra, distrikan’Ambositra ny antoandron’ny alahady 02 aogositra lasa teo
Tonga nanafika ity tanàna ity ny andian-dahalo miisa 30 lahy ka namoaka ireo ombin’olona tao am-bala rehetra, nisy ireo omby nampidirin’ny tompony tao an-trano noloaran’izy ireo tao avokoa. Tampoka ny fahatongavan’ireto dahalo, ny olona koa tsy mbola nisy dahalo nanafika toy izao hatramin’izay ka tara ny fiantsoana mpitandro ny filaminana. Votsotra tsy azon’ireo mpanara-dia ny omby 15 tao amin’ity tanàna ity, efa alina vao tonga tany an-toerana ny zandary ka tsy nisy azo intsony ireo omby ireo. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’ity asa fanafihana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.