Actualités

ANTOETRA-ZAFIMANIRY Norobain’ny dahalo 30 lahy, very ny omby 15


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Nipoapoaka ny basin’ireo dahalo nangalatra omby tao Atoko, avaratry ny kaominina Antoetra, distrikan’Ambositra ny antoandron’ny alahady 02 aogositra lasa teo

Tonga nanafika ity tanàna ity ny andian-dahalo miisa 30 lahy ka namoaka ireo ombin’olona tao am-bala rehetra, nisy ireo omby nampidirin’ny tompony tao an-trano noloaran’izy ireo tao avokoa. Tampoka ny fahatongavan’ireto dahalo, ny olona koa tsy mbola nisy dahalo nanafika toy izao hatramin’izay ka tara ny fiantsoana mpitandro ny filaminana. Votsotra tsy azon’ireo mpanara-dia ny omby 15 tao amin’ity tanàna ity, efa alina vao tonga tany an-toerana ny zandary ka tsy nisy azo intsony ireo omby ireo. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’ity asa fanafihana ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT