Antoetra, Amoron’Imania

110 taona, mbola mijoro i Bebe


  • Alakamisy 14 Aogositra 2025

110 taona i Bebe, mateza, ela velona, mbola mijoro any Antoetra, faritra Amoron’Imania,

hoy ny fampahafantarana nataon’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena voafidy tao Ambositra, ny depiote Fomendraza Haingo Elisette mikasika ramatoa raiamandreny be iray 110 taona mbola miriaria tsara any an-toerana omaly. Tsy andriko, hoy izy, ny mahita ireny raiamandreny be ireny ka handalo fotsiny, na dia ny arahaba sy ilay firesahana aminy dia efa tsodrano. Ho antsika tanora , tandremo , tadidio, fantaro fa ireny no raiamandreny nipoirana, mansoandro amam-bolana lalaina, fanilo miampita! Aza omena alahelo, heverina fa lamba rovitra dia ariana, amafana vovoka, ampiasaina amin’ny tsy tokony hampiasaina azy! Be ny vitany. Lavitra ny lalana efa nalehany. Maro ny raha hitany sy fantany na antitra izy dia mpitadidy, mahatsiaro ny ela. Mety osa izy androany fa osan’ny fikolokoloana antsika ny raiamandrenintsika, nahasoa antsika, indrindra nahalava tongotra aman-tanana antsika, Andriamanitra hita maso. Tsy fidiny ny ho antitra fa fiainana izany. Ianao io koa, any andro, any taona mbola handalo fahanterana ka ampianaro hanaja ny raiamandreny ny zanaka! Manaja tsy midika matahotra. Ampianaro hahalala ny soatoavina malagasy: ny arahaba, ny azafady, ny fanajàna, tsy mitabataba na manakora olondehibe na mananihany azy ireny! Misy fotoana mantsy tsy afaka mandeha, miha marenina, miha jamba, osa, reraka nefa dia amin’ireny no anehoantsika tsy fankasitrahana sy atao fanalana i bebe na i dadabe na i nenitoa sy ny sisa. Afenina ny «pension», tsy omena hisitraka izany izy ireny, ambakaina. Atao zara vilana ny lovany, izay mahalala manambaka ny tsy mahafantatra. Tokony valim-babena no omentsika azy ireny, fisaorana, fankasitrahana, fanehoam-pitiavana, hoy hatrany ity filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT