Anthony Tolliver sy Sylvia Fowles

Ho avy eto Madagasikara


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Ho avy eto Madagasikara ireo iraka ara-panatanjahantena avy amin’ny

departemantam-panjakana Amerikanina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Mahafaly ny masoivoho amerikanina ny mitondra ireo atleta efa misotro ronono, Anthony Tolliver, sy i Sylvia Fowles eto Madagasikara, hoy ny fanazavàna. I Anthony Tolliver dia mpilalao tao amin’ny NBA nandritra ny 14 taona ary i Sylvia Fowles kosa dia kintan’ny taranja basikety vehivavy ao amin’ny WNBA no sady anisan’ireo voasafidy ho ao amin’ny Hall of Fame, izay manome voninahitra ireo mpilalao nahavita be teo amin’ny tantaran’ny basikety. Hijanona eto Madagasikara mandritra ny herinandro izy ireo ary hanatanteraka tetikasa hiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny federasionin’ny taranja Basketball manomboka ny 20 aogositra ho avy izao. Tanjon’ny fandaharan’asa ny hanohana ny tanora amin’ny alalan’ny basikety sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary ny hampirisika azy ireo sy ireo mpanazatra. Ny Sampandraharaha misahana ny diplaomasia ara-panatanjahantena ao amin’ny departemantam-panjakana amerikanina no misafidy ireo «Sports Envoys» na iraka ara-panatanjahantena, izay mitarika fiofanana ara-panatanjahantena sy manao valankevitra miaraka amin’ny mpianatra any amin’ny sekoly ary mihaona amin’ireo manam-pahefana ambony hiresahana ny anjara asa lehibe entin’ny fanatanjahantena eo amin’ny fanatsaràna ny fiainan’ny tsirairay sy ny fanovàna ny fiarahamonina. Manohana an’ireo andiana atleta manaraka ho lasa mpitarika amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ihany koa izy ireo, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT