Actualités

Antetezambaro Toamasina II Napetraka ny toerana lehibe famokarana zana-kazo


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Mihena tsikelikely ny velaran'ny alan'Atsinanana noho ireo tsindry mahazo azy toy ny doro ala, fanapahana hazo sy ny fitrandrahana tsy maharitra ny harena voajanahary ao aminy.

 

 

 Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiarovana ireo karazan-javamanan'aina mampiavaka an’i Madagasikara anefa ny fisian'ny alan'Atsinanana. Mila fandraisana andraikitry ny tsirairay ny fanarenana azy mba ho fiarovana ireo rohi-piaina ao aminy. Fambolen-kazo mitsinjo lavitra sy mamaly ny filàn'ny mponina no tanjona amin'izany. Jerena manokana ireo karazan-kazo tsy manimba ny nofon-tany ary azo trandrahina ho an'ny fiharian'ny mponina ihany koa, toy ny famokarana lohamenaka, fiompiana tantely, fanamboarana fanafody,... Tombony mivantana ho an'ireo mponina ifotony ny fametrahana tanin-janakazo manakaiky ny tanànan'izy ireo, ka toerana mamokatra hatramin’ny 5 000 zana-kazo isaky ny “plate-bande” no napetraky ny Fitalevam-paritry ny tontolo iainana na DREDD Atsinanana ao amin'ny fokontany Ampandroantsiriry, Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro, Distrikan'i Toamasina II. Tanjona ny hametraka “plate-bandes” manodidina ny 375 isa ao an-toerana, hoy ny Minisiteran’ny tontolo iainana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT